Tsy loza mitatao fa efa loza mihatra, mandoza, manimba eny amin'ny fiaraha-monina sy ny isam-batan'olona ny fiparitahana sy ny firongatry ny fandraisana zava-mahadomelina mahery vaika. Misy atsindrona, misy nyt fohana ary misy ny hohanina. Simba ny ati-doha sy ny taova maro hafa ao amin'ny vatana. Vetivety ny fiankinan-doha. Sarotra ary manahirana ny fialana aminy. Manana andraikitra isika olom-pirenena tsirairay na iza ianao na iza hiady amin'izany mba hananana taranaka sy firenena vanona.
Maro ny antony mety hahatonga ny sofina hanana olana amin'ny fandrenesana. Manongilana loha sy sofina, na mamerina manontany matetika raha misy miteny aminy ny olona manana olana amin'ny fandrenesana. Mila fitiliana akaiky amin'ny alalan'ny "audiometrie" io olana io. Mety ho tratrany ny sokajin-taona rehetra. Misy karazany roa amin'ny ankapobeny : voalohany, olana eo amin'ny fidiran'ny feo ; faharoa, olana eo amin'ny fandraisana ny feo. Fa mety ho izy roa miaraka koa. Ananan'ny manam-pahaizana manokana momba ny sofina vahaolana daholo ireo. Ilaina ny manatona mpitsabo raha vao misy olana ny fandrenesana. Tsy fisikotra ny sofina, tsy tsara ny mihaino feo mafy loatra fa mety hanimba ny sofina.
Rehefa tsapaina amin'ny fitaovana fitsapana "tensiomètre", ny tosi-dra ambany dia ireo ambanin'ny 10 > 6, na 9 > 6. Ny tosi-dra ambany dia mety ho toe-batana fa mety ho fambaranà aretina ihany koa. Misy antony ny fidinan'ny tosi-dra toy ny : fitaran'ny lalan-dra madinika, fikorontanana eo amin'ny fo, fahaverezan-drano be loatra, tsy ampy rano, fahaverezan-dra, aretin'ny voa, rarintsaina, havizanana, mety ho tsy fahazakana fanafody sasany ihany koa. Fambara : Fanina, valaka, midobodoboka be ny fo.
Ny diabeta dia tsy aretina fa toe-batana, ny fiombony no mahatonga aretina na tsy fahasalamana, noho izany tsy tsaboina fa halamina. Ny fiakaran'ny tahan'ny siramamy ao anatin'ny vatan'ny olombelona, izay jerena amin'ny alalan'ny ra no hamantarana hoe diabetika ny olona iray. Misy ny atao hoe "insuline", izay vokarin'ny sarak'aty, ao anatin'ny olombelona, ka io tsirim-panentana io no mandrindra ny fampiasan'ny sela ny siramamy. Ny olombelona iray diabetika dia manana olana amin'ny voa. Manaranaka ny diabetika, ary mifandraika amin'ny fomba fiainan'ny olombelona iray... Fandaharana "andriano ny fahasalamanana".
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco