Mba hananana na hitazomana ny fahasalamana dia tsy maintsy mametraka tanjona isika. Isan'ny lohahevitra noresahana ny hoe : fialàna na fampihenana ny fandraisana zava-madomelina, eo koa ny fitozoana ara-batana. Isan'ny fototry ny fahasalamana ny sakafo, torimaso, fampiasam-batana. Manampy ny vehivavy hiatrika ny adidiny ny fandrindram-piterahana sy ny fahalalana manodidina ny fadimbolana. Ilàna tombana avokoa izay natao rehetra mba hamaritana izay tokony hatao indray...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...