Marefo ny fahalalan'ny  tsirairay amin'ny fiarovan-tena amin'ny fahasalamana.

0 : 00

Miezaha tsy harary : izay no fiarovan-tena voalohany indrindra. Rehefa misy zava-mitranga tsy mahazatra : manatona mpitsabo akaiky anao indrindra. Izy no mitari-dàlana anao amin'izay tokony ho tohiny : na mila manatona mpitsabo manam-pahaizana manokana na tsia ; na mila midita hopitaly na tsia. Raha manana aretina mitaiza : ny mpitsabo ihany koa no mbola manampy anao hiatrika ny areti-mitaiza amim-pahatokiana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Andohalo, ho fanamarihana ny fanokafana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Hankalazaina ny 12 janoary 2025 ny fetin'ny Seminera Zandriny Ambohipo, izay eo ambany fiarovan'ny Fianakaviana Masina...
  • Mahaiza misaotra ny fanomezana ny fiainana, hoy ny Papa François, fa famantarana mahagaha avy amin'Andriamanitra izany...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...