Maro ny olana ara-pananahana ankehitriny ka ilaina ny herivelon'ny Fiangonana hiaraka handray andraikitra amin'izay tandrify azy hanabe ny olona amin'ny fanajana ny soatoavina kristianina amin'ny lafiny ara-pananahana.

Misy ny olona voasokajy ho vahoaka fotsiny fa tsy olom-pirenena. Ahoana ary ny hanomanana sy hamolavolana ny Malagasy ho tena olom-pirenena mahalala sy mahafantatra ny adidiny sy ny andraikiny ? Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Maina ny ankamaroan'ny tanimbary eny amin'ny distrikan'Antananarivo-Atsimondrano. Tsy manakana an'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert, nanetsa vary izany amin'izao volana desambra izao...

Tokony hisongadina ao anatin'ny hafaliana vokatry ny fitiavana ny fiainam-pianakaviana. Antson'Andriamanitra ny fanorenana fianakaviana ary misy iraka sahaniny ho fanasoavana ny fiaraha-monina. Manamasin-tena izy amin'ny alalan'ny fiainana ny sotovanina sy ny fiainam-bavaka. Fadaharana " fibeazana miaina sy mitia".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...