Napetrak’Andriamanitra eo anivon’ny zavaboahary mahagaga aho. Ny olombelona no zavaboahary tsara indrindra nataon’Andriamanitra. Isan’izany aho sy ireo olona manodidina ahy : izay no antsoina hoe fiaraha-monina. Faly aho fa manana ny toerako eo anivon’ny fiaraha-monina misy ahy. Manana adidy aho manoloana izany: manatsara azy, mikajy ny soa iombonana, mandray andraikitra, mibe sy manabe ny hafa, ho modely ho an’ireo tanora namako. Fandaharana "miaina sy mitia"

Zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zanaka dia hanana ny fahavanonam-piainana izy. Ho lavitry ny herisetra sy ny risoriso izay manapotika ny fiaraha-monina izy ireo raha voataiza hanaraka ny lalana tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Ilàna fiomanana ny fanambadiana fa tsy atao fahatany, toraka izany koa ny firosoana amin'ny firaisana ara-nofo. Raha hiresaka amin'ny olona manana olana, dia tsy maintsy fantarina aloha ny antony nisian'ny olana, amin'ny alalan'io no hamaritana ny vahaolana, izany hoe mila faharesen-dahatra. Na inona na inona zava-mahadomelina raisin'ny ray aman-dreny mandritra ny fahariana ilay zanany dia tsy maintsy misy fiatrakiny amin'ilay zanany izany.

Mety hahazo ny olona rehetra — na zaza, na olon-dehibe — ny aretin-tenda. Ny fanafihan'ny otrikaretina na tsimokaretina, na allergie no mahatonga azy. Fa mety ho fitrangan'aretina hafa ao amin'ny vatana koa ny aretin-tenda. Izay no ilana ny fanatonana mpitsabo. Ny kambontenda dia taova misy ao amin'ny tenda. Ilaina amin'ny fiarovana ny tenda ary mpamokatra hery fiarovana izy. Samy manana ny habeny ny tsirairay. Raha manelingelina dia ilaina ny manatona mpitsabo, izy no mahalala na tokony esorina na tsia ny kambontenda.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...