Noho ny vanim-potoana sy ny tontolo manodidina dia lasa misy antsana mampisaraka ny tanora sy olon-dehibe. Misy fomba fifandraisana tsy maintsy arafitra sy arindra, noho izany, mba hisian'ny fifampihainoana.

Ny vitiligo dia ny "dermatologue" no tena mahafehy ny fitsaboina azy. Ny 2% amin'ny olona maneran-tany no tratran'ity aretina ity. Ny "vitiligo" dia toe-koditra miseho, mipentina fotsy vokatry ny fahasimban'ny sela "mélanocyte" izay singa mandoko ny hoditra, ity aretina ity dia tsy mifindra. Ny fomba fitsehony : misy faritra mihamazava ny hoditra ary somary mangididy. Ny karazan'ny vitiligo : actif, stable, segmantaire... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Maro amin'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga no resy lahatra amin'ny fampiasana zezika biôlôjika tsy misy taharo simika. 10 taona nirotsahana an-tsehatra sy nampitombo fahalalana amin'ny famokarana zezika kaompôsta Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien ary nahita fahombiazana tamin'izany...

Mifandray amin'ny loha-hevi-dehibe voizina ao anatin'ny fandaharana "miaina sy mitia" mandritra ity taona 2024 ity ny loha-hevitra resahina eto. Antoka iray mahatonga fahasambarana sy firindràn'ny fianakaviana ny fandraisana andraikitra sy fanomezan-danja ny tsirairay ao anaty fianakaviana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara sy ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fianakaviana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...