Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Na iza na iza hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona dia hoeken’ny Zanak’Olona koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra; fa izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona kosa dia holavina koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra. Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’Olona dia hahazo famelan-keloka ihany, fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka intsony. Raha entina ho any amin’ny Sinagôga sy ny mpifehy ary ny manam-pahefana ianareo, dia aza manahy izay hamalianareo na izay holazainareo fa hatoron’ny Fanahy Masina anareo eo no ho eo ihany izay holazainareo."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...