Indray andro, nisy olona anankiray nanatona an’i Jesoa ka nilaza hoe: "Ry Mpampianatra tsara ô, inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay? Dia hoy Izy namaly azy: Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe tsara? Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra; ka raha te-hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy." Dia hoy izy hoe: "Didy inona avy?" Dia hoy i Jesoa: "Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona tsy marina, manajà ny rainao aman-dreninao, ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao." Dia hoy ilay tovolahy taminy: "Hatra ny fony mbola kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany, ka inona no mbola tsy ampy amiko?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Raha tahîny tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao, ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao; ary rahefa izany, dia avia hanaraka Ahy." Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin’alahelo, satria be ny fananany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...