3 ôktôbra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 1-12)
Ny vavaka tsotra dia mametraka ny fiainantsika eo am-pelan-tanan'ny Tompo satria Izy no mpitari-dalana antsika ; môdely i Masina Maria ny amin'izay vavaka izay satria tsy be resaka izy fa manao vavaka mangina. I Masina Maria dia mivavaka amin'ny maha Reny azy sy amin'ny maha-mpianatra azy. Tena Reny hafakely ho antsika kristiana i Masina Maria, tena nanana fo misokatra... Katesizy momba any Maria, modely amin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
2 ôktôbra 2024 — Ny Anjely Mpiambina — Fahatsirovana — Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mpankatò ny sitrany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 18, 1-5. 10)
Rehefa nandray ny filazan'ny Anjely i Masina Maria dia nandeha nizara izany tamin'i Elizabeta rahavaviny. Nifaly tamin'Andriamanitra mpamonjy azy izy fa notsinjoviny ny fiambanian'ny ankizivaviny. Vavaka fisaorana an'Andriamanitra, tsotra ary feno fanetrentena lalina, feno fiontanam-po sy aingam-panahy no nataony. Mahita ny fahasahiranantsika i Masina Maria ary manampy antsika amim-bavaka... Katesizy momba any Maria, modely amin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco