Tsy tokony hohadinoina hoy ny Papa fa ireto zavatra miisa telo ireto no fihetsika manokana mampiavaka an'Andriamanitra : akaiky, mangoraka, malemy fanahy. Izany no hanehoan'Andriamanitra amintsika ny maha-Ray Azy. Ny vavaka dia fiezahana miombona amin'ny lamin'asan'Andriamanitra : hikatsahana ny voninahiny sy ny fahasambaran'ny olombelona... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa, OSsT.
23 nôvambra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona— Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 20, 27-40)
Tsy misy olona hanana herim-po hino fa tia azy Andriamanitra raha tsy mahalala an'i Jesoa ; ny fahalalana an'i Jesoa no hahafahantsika mahatakatra ny fitiavan'Andriamanitra. I Kristy nofantsihana teo amin'ny hazofijaliana no herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra ; Ray mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra porofon'izany ny fitsimbinany antsika... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa, OSsT.
22 nôvambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona— Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 45-48)
• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco