♦ Miantso antsika hiaro ny aina sy ny marina ny Eokarisita, hoy ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tamin'ny famaranana ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly faha-3, notanterahana tany amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Hotokanana sy hotsofin-drano amin'ny faran'ity herinandro ity ny tsangambato faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara...
♦ Tsy mbola fantatra hatramin'izao izao ho kandidàn'ny fitondrana ho Ben'ny Tanànan'Antananarivo. Mety ho ny PDS vaovao no hatolotry ny IRMAR amin'ny fifidianana amin'ny 11 desambra 2024... ♦ Misy antenaina indray ny hitohizan'ny asan'ilay sambo hôpitaly miantsona any Toamasina. Nankatoavina ny hanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny “Mercy Ships” sy ny Governemanta Malagasy... ♦ Miakatra ny tahan'ny dorotanety rehefa anaty taom-pifidianana tahaka izao, hoy ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana. Misy ny fanentanana ny rehetra handray andraikitra...
♦ Miandrandra asa mivaingana amin'ny PDS vaovaon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny mponina, hoy ny ONG Tolotsoa. Tsy tokony hirona amin'ny fiatrehana fifidianana ity tompon'andraikitra ity, hoy izy ireo... ♦ Nohamafisin'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena androany, fa tsy mandoa saram-pianarana ny mpianatra any amin'ny sekolim-panjakana manerana ny nosy amin'ity taom-pianarana ity... ♦ Mampiantrano ny dinika nasiônaly momba ny famatsiam-bola ho an'ny tontolo iainana ny eto Antananarivo. Noraisin'ny Filoham-pirenena ny delegasiôna avy amin'ny FEM, mandray anjara amin'ny dinika...
♦ Tontosa omaly ny Eokaristia fanirahana ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly sy famaranana ny Fihaonambe Nasiônaly notanterahan'ny AFAFI-FET teto Madagasikara, tany amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Manentana antsika mianakavy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, mba hanao hatrany ny vavaka isan-tokantrano hangatahana ny hanandratana ho Olomasina an'i Victoire Rasoamanarivo... ♦ Nanentana ny mpino hanaraka an'i Jesoa, na dia sarotra aza izany, ny Papa François nandritra ny vakaka Angelus omaly...
• Nankalazaina ny alahady 5 jolay 2026 ny Andron'ny Diosezin'i Mananjary... •Notanterahina nandritra ny telo andro tamin'ny herinandro lasa teo ny Antenimieran'ny tanora tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé... •Maniry ny hisian'ny fifampiresahana amin'ireo andrim-panjakana any Panama ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco