Ny diantsika iombonana, izay niorina tamin’ny firaisan-kina sy ny fanantenana nanavatsava ny tantara sy ny tolona nentin’ireo Ray aman-dreny, dia manentana antsika ankehitriny hamelona indray ireo soatoavina Malagasy sy hanamafy ny adidy iombonana amin’ny fanorenana fiaraha-monina mirindra, mba hanana ho avy mamiratra sy maharitra ho an’ny firenena sy ny taranaka. Na samy hafa aza isika dia miara-miaina anatin'ny fanantenana.... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Maro ireo daty tsy azo adinoina izay mifamatotra amin'ny tantaran'ny firenena, tokony hatao mitovy ny fanamarihana azy ireny satria samy manana ny hasiny. Ny fahalalana ny tantara sy ny zava-nisy dia isan'ny fototra afahana mampandroso ny firenena. Ny fahiaza-mihaino dia afahana misoroka ny korontana sy olana maro amin'ny sehetra rehetra. Na mafy aza ny tosiky ny Saina vaotr'olombelona, tsy hasolo ny olombelona ireny, izay manana fihetsepo... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
15 mey — Masindahy Isidore tsarona izao dia ilay niaina teo anelanelan'ny taona 1070 ka hatramin'ny 1130. Teraka nanodidina ny taona 1070 teo mantsy i Isidore, tsy mba nanam-bola aman-karena ny ray aman-dreniny fa ny oha-pitondran-tena tsara, sy ny finoana, ary fahatahorana an'Andriamanitra no nampianariny azy.
Anisan'ny tena mampiavaka ny Eglizy Katôlika izay manana ny toetrany manokana (iray, masina, katôlika, apôstôlika) ny fananany rafitra maty paika sady matotra ka ijoroany hatrany am-piandohana hatramin'ny namoronan'i Kristy azy tamin'ny Apôstôly dia i Piera no filohany sy ireo dimbiny mandrak'ankehitriny dia ny Papa. I Jesoa no nanorina ny Eglizy ary nametraka azy eo ambany fahefan'ny Apôstôly... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Nankalazaina ny alahady 5 jolay 2026 ny Andron'ny Diosezin'i Mananjary... •Notanterahina nandritra ny telo andro tamin'ny herinandro lasa teo ny Antenimieran'ny tanora tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé... •Maniry ny hisian'ny fifampiresahana amin'ireo andrim-panjakana any Panama ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco