Ny Fiakarana, andro voadidy hohamasinina, dia 10 andro mialohan'ny pantekôty, andro nirotsahan'ny Fanahy Masina. Ny Diakra dia afaka mitso-drano ny ireo miroso amin'ny fandraisana ny Sakramenta Batemy sy ny Sakramenta Mariazy, raha toa ka mahazo alalana avy amin'ny Eveka na ny Pretra tompom-paritany. Ireo "Ministre ordinaire"-ny Sakramenta dia ny Eveka, ny Pretra ary ny Diakra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady faha-7 - taona D fankalazana ny Paka : Tokony hangetaheta ny mandrakizay isika ; tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo: handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo. Fanirian'i Jesoa no ho andian'ondry tokana antsika sy ho mpiandry ondry tokana no hiahy antsika. Ny môdelin'ny fiombonana dia ny fiombonana ao amin'ny Trinite Masina. Andriamanitra Ray dia toy ny masoandro, mamiratra ; ny Zanaka dia ireo tana-masoandro, mitondra hazavana ao an-trano sy mamono ny otrik'aretina samihafa, ny Fanahy Masina dia ny hafanana...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Ny ankizy sy ny tanora no maro an'isa eto Madagasikara. Ny fanabeazana dia miainga amin'ny zaza mba ho tompon'andraikitra amin'ny tenany, ary mivelatra amin'ny fiaraha-monina. Noho ny fomba fanabeazana dia manana adidy sy andraikitra hampandroso ny firenena amin'ny tsirairay. Tsara alain-tahaka ny fomba fanabeazana sôvetika : ny fametrahana an-tsoratra lehibe amin'ny talaky maso ny zavatra sy lesona tokony hotadidiana sy hajaina, isany singa hanefy ny tsirairay ireny... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Nankalazaina ny alahady 5 jolay 2026 ny Andron'ny Diosezin'i Mananjary... •Notanterahina nandritra ny telo andro tamin'ny herinandro lasa teo ny Antenimieran'ny tanora tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé... •Maniry ny hisian'ny fifampiresahana amin'ireo andrim-panjakana any Panama ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco