Alahady 06 jolay 2025, Alahady faha-14, tsotra, mandavan-taona "D" : Matokia mitory ny Evanjely ; Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra! Isika Kristianina ankehitriny dia nofidian'i Jesoa sy nirahiny hanohy ny fitoriana ny Fanjakan'Andriamanitra. Noho ny finoana izay noraisintsika sy ezahantsika ivelomana no mpialoha lalana azy Jesoa sy ho mpanomana ny hatongavany amin'ireo mbola tsy mahalala azy, atomboka eo amin'ny manodidina antsika. Ny fitoriana amin'ny fo manontolo no tian'ny Tompo...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Manafaingana ny asa fanarenana ny ala hoko simba ao amin’ny faritr’i Sofia ny orinasa Bôndy amin’izao fotoana izao. Mafy ny tsindry nahazo ny ala honko isan’izany ny tao Ambilanibe, kaominina Ankerika. Mirefy 48 hektara ny ala honko simba hatramin’ny 80 isanjato, tapahan’ny olona nanaovana arina fandrehitra. 150 gony isan’andro mantsy ny harina fandrehitra vita amin’ny honko mamatsy an’Antsohihy. Mba hanonerana izany, manana toeram-pambolen-kazo hoko ao Malako fokontany Ambolobozo, kaominina Ambodirano ao amin’ny distrikan’Antsohihy ny orinasa...
Singa iray mamotika ny fiaraha-monina ny fihanaky ny zava-mahadomelina sy ny fiankinan-doha aminy, indrindra ny tanora. Anisan’ny fototra mahatonga ny herisetra isan-kazany izy io. Azo atao tsara anefa ny miaina madio sy milamina lavitry ny fahazaran-dratsy, ary miaina tsy misy herisetra anjakan’ny fifanajana sy fifankatiavana ary fandriam-pahalemana. Izany dia mitaky fanabeazana ara-pitondran-tena matotra, fanohanana avy amin’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina, ary fanapahan-kevitra hentitra hanaraka lalan-tsaina madio... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco