Ny fanjakan'Andriamanitra dia tahaka ny rakitra any an-tsaha, izay voalaza ao amin'i Md Matio 13. Tsy lo ny harena ara-panahy dia ny " finoana an'i Jesoa Kristy". Katesizy momba ny fanehoana ny harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ 63 taona katroka androany no nahaterahan'ny Repoblikan'i Madagasikara. Nahatsiaro izany ireo Sojabe, tany amin'ny Distrikan'i Mandritsara izay nipoiran'ny Filohan'ny Repoblika voalohany... ♦ Atao mitovy avokoa ny Karinem-pokotanin'ny malagasy rehetra, manaraka ny toetr'andro sy ny fivoaran'ny teknolojia. Tsy hahafahana manao hosoka intsony, hanamora ny fanisam-bahoaka sy ny asan'ny tondfram-panjakana ary ny fanomezana ireo fanampiana ara-tsosialy...
Ny fotoana manokana dia tena manova fiainana na eo amin'ny mpivady na eo amin'ny mpianaka. Mitondra fiadanan-tsaina, fiadanam-po, fiadanam-panahy. Fehiny : mahasambatra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Mba hananana fahasalamana feno dia ilaina ny fametrahana tanjona ara-pahasalamana. Isan'ny antoka hazoana fahasalamana ny fandanjalanjana ny sakafo, ny torimaso ary ny fampiasam-batana. Fandaharana "Ampela Miary", vokarina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco