Ny "ecovillage de Madagascar" dia niforona tamin'ny taona 2014, niainga tamin'ny vina : toerana iray honenan'ny olona maromaro, nivoatra ny vina ka lasa niantsehatra tamin'ny fampiofanana "fambolena lovain-jafy. Fampiofanana 04 isan-taona no vitan'ny fikambanana. Ny fambolena lovain-jafy dia manome lanja kokoa ny tany ary mamerina ny tontolo iainana hiaina, miezaka ny tsy hampiasa zavatra manimba tontolo iainana...
Ny fifampiresahana sy ny fifanakalozan-kevitra no fomba afahana miala amin' ny fidorohana zava-mahadomelina. (24-02-2021)
Alarobia 24 febroary 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 29-32
♦ Nandaha-teny nandritra ilay fikaonan-doha iraisam-pirenena momba ny toe-karena aty afrika, andiany faha-20, ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina. Noresahany ny paik'adin'i Madagasikara sy ny fanarenana ataon'ny fitondrana... ♦ Afindra amin'ny Banky Foiben'i Madagasikara, amin'ny alalan'ilay vaomiera mpanara-maso ny banky sy ny fandraharahana ara-bola, ny fanaraha-maso ny sehatry ny fiantohana eto Madagasikara...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco