Rehefa tsy hiainana moa ny finoana dia kristianina sarisary ny fianakaviana iray. Ary rehefa toy izany dia manao fitaovana ny fivavahana ho fiarovan-tena sy ampiasaina amin’ny ara-politika. Ny tena ratsy dia lasa fieren-jiolahy mihitsy ny Fiangonana, izany hoe mody mivavaka mba hanafenana ny asa ratsy rehetra natao. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Ny aretina no hiadivana ao anatin'ny tanjona ara-pahasalamana. Ny aretina no mampikorontana ny rindra efa ao anatinao, noho ny antony maro samihafa, io no tianao haverina ka io ilay tanjona ara-pahasalamana. Mila manova toem-po sy toe-tsaina isika entina miatrika ny valan'aretina, mitaky ezaka izany ary mila fahalalana ho fototra...
Tsy mety mandray ravin-deno sy manao raharaha intsony ny zanaka fa variana ao amin’iny fitaovana kely safosafoina sy pendipendena tontolon’ny andro iny. Lasa miteraka hamaivanan-doha eo amin’ny zanaka matetika satria tsy miditra intsony mihitsy ny anatra sy ny fanabeazana omen azy mivantana. Ary tsy vitan’izany fa ny fanekena ny ray aman-dreny dia raisina ho didiko fe lehibe sisa.
Alarobia 21 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 35-40
♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco