Ny fahavanonana no ahafahana mitrandraka ny talenta sy ny safidy nomen'Andriamanitra an'ny tsirairay, hatafita amin'ny fiainana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Ny faha 29 marsa isan-taona dia fanamarihana sy fahatsiarovana ireo maheri-fo nitolona ho antsika malagasy tamin'ny taona 1947. Ny renim-pianakaviana no tsara toerana kokoa amin'ny fampitana ny tantara sy ny fanabeazana ny zanaka. Ny renim-pianakaviana dia manana andraikitra ho fanabeazana ny zanany ho olom-pirenena vanona sy hanana fitiavan-tanindrazana ; ny ankohonana rahateo no sekoly voalohany ho fampanajana ny fitsipika sy ny fanabeazana fototra...
Alarobia 23 marsa 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Izay hanatanteraka sy hampianatra ny didy dia ho lehibe amin’ny Fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 17-19
♦ Mafampana ny fitakian'ny mpianatra eny amin'ireo Oniversite eto amintsika. Olana amin'ny fahataran'ny fisoratana anarana no mahatara ny vatsim-pianarana, hoy ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa... ♦ Nampahafantarina androany ny tetik'asa vaovao, tohana ho an'ny fanavaozana sy ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra, eo amin'ny rafitry ny famokarana ara-tsakafo. Tetik'asan'ny FAO, iaraha-manatanteraka amin'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco