Fotoanan'ny fety isan-karazany izao : ny fetim-pirenena, ny fetin'ny ray, koa aoka iainana ny fifanajana mba hisian'ny fifankativana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Alarobia 8 jona 2022 — Masindahy Jacques Berthieu — Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny amin’i Kristy, fa mitoetra ao aminareo ny Fanahin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 18-21
Izany indrindra no nahatonga an'i Jesoa nanamarina ny fahaizan'ireo mpianany mihaino ka nahatonga azy niteny hoe :"koa tandremo àry ny fihainoanareo, fa izay manana no homena, ary izay tsy manana no halaina aminy hatramin'izay ananany aza". ireo izay mandray ny Teny amin'ny "fo marina sy tsara" ihany ary mitandrina azy tsara no hitondra voa tsara ho amin'ny fiainana sy famonjena. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alahady 5 jona 2022 — Pantekôty — Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 15-16. 23b-26
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco