Zava-dehibe ny fahafahana ka tokony ho tsapan'ny tsirairay fa tsy tokony hanohitohina ny fahafahan'ny hafa ny fahafahana ananana. Ny zon'olombelona, ny lalàna, ny dina ary ny fady no mamehy ny atao hoe "législation". Betsaka ny olona manitsakitsaka ny lalàna sy ny didin'Andriamanitra ka mahatonga ny korontana, izay mahavery zo ny hafa, ary tsy mahatontosa ny adidiny noho ny fanelingelenana ataon'ireo milaza ho manana fahafahana diso tafahoatra. Ilaina ny manoa ho zava-dehibe ny fifampifehezana eo amin'ny fiaraha-monina izay mifototra amin'ny lalàna. Tokony hasongadina ny "dina" sy ny "fady" satria iry voalohany dia hifehezana ny fiaraha-monina, fa ny faharoa kosa dia hanabeazana ny ankizy sy ny adolantsento...
Alahady 18 desambra 2022 — Alahady fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe: Emanoela, izany hoe Andriamanitra eo anivontsika. Aleloia — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 18-24
♦ Ny talata 10 janoary 2023 no handraisan’ny diosezin'Ambanja an’i Mgr Donatien Francis Randriamalala ao Andrevorevo - Anahidrano... ♦ Mihemotra ny fanakalazana ny fetin’ny Seminera Zandriny Ambohipo sy ny Fivorian’ny FFVA Disoezin’Antananarivo... ♦ Namaly ny antson’ny Papa François mba hanakalazana ny Noely hahatsiarovana ny vahoaka Okreniana ny Aomôneria apôstôlika iandraiketan’ny Kardinaly Konrad Krajewski...
Manana ny anjara toerany amin'ny sehatry ny fiompiana akoho sy famokarana atody eto amintsika ny Kaominina Ambanivohitra Antanetibe-Mahazaza atao amin'ny Distrika Ambohidratrimo, Faritra Analamanga. Mivoaka ao amin'ity Kaominina ity avokoa ny 30% hatramin'ny 40% ny atody jifaina eto Madagasikara. Atody 200.000 hatramin'ny 300.000 isan'andro no mivoaka ao amin'ny Kaominina.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco