Alarobia 29 marsa 2023 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 31-42)
♦ Mitsidika eto Madagasikara ny iraky ny Firenena Mikambana, mifanakalo hevitra amin'ny tompon'andraikitra Malagasy momba ny tontolon'ny fifidianana eto amintsika. Ny Filohan'ny CENI no nandray azy ireo androany... ♦ Natolotra ho an'ny Distrikan'Antananarivo Atsimondrano, teny Vontovorona, Kaominina Alakamisy Fenoarivo, ny milina fanodinana tantely, avy amin'ny Minisitera Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana... ♦ Hiala tsy ho mpanazatra ny Barean'i Madagasikara intsony Andriamatoa Nicolas Dupuis, tao aorian'ny faharesena roa misesy nahazo ny Ekipam-pirenena Malagasy tamin'ny fihaonana tamin'i Centrafrique...
Ny fombam-pitenenana dia andian-teny na fehezan-teny na kamban-teny, miainga avy amin'ny fiheveran'ny olombelona iray, izay tsy maintsy misy loharano nipoirany ; tsy voatery hisy hafatra na hanatra na fitsipika. Manana ny heviny ny teny ao anatin'ny fomba fitenena ireny ; ohatra "foza lahy hatakalo foza vavy" ka ny foza eto dia biby mihitsy, amin'ny fomba mpitenenana amin'ny faritra hafa ihany koa ny hoe "akoho lahy natakalo akoho vavy"... Fandaharana "FILIRA" iarahana amin'ny Foibe momba ny Teny, ny Akademy Malagasy.
Miseho lany ny ady, maro ny olana avy amin'ny mpanao pôlitika mikasika ny lamina araka ny sitrapon'Andriamanitra : minia mandika ny fetra sy ny lamina ny olombelona ; ohatra ny nanomezan'Andriamanitra fahefahana ny olombelona voalohany nohariana hitantana ny zava-boahary fa tsy voahaja ny lamana ka nihinana tamin'ny voankazo voarara ihany i Adama sy Eva. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco