♦ Hotanterahana ny alarobia 13 aprily 2022 ao amin'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena ny "Messe chrismale" eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nosantarin'ny Kardinaly Tsarahazana Désiré tao amin'ny Distrika Antanambao ny Herinandro Masina... ♦ Mivahiny any Kiev mandritra ity herinandro ity ny Aomônie Apôstôlika, Kardinaly Krajewski...
11 aprily — Ny Stanisals resahana eto dia ilay avy any Pologne, teraka tao Szczepanów ny 26 jolay 1030. Olona ambony sy fanta-bahoaka ny fianakaviana niavian'i Masindahy Stanislas. Nianatra tao Gniezno izy, avy eo dia tany Paris.
Alahady 10 aprily 2022 — Alahadin'ny Sampankazo sy Fandinihana ny Fijalian'ny Tompo — Ho antsika, dia nanolo-Tena i Krisy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 23, 1-19
Ny firafitry ny taolana dia ahitana : ilay taolana mafy, misy taola-malemy, misy ozatra mampifandray ary misy tsiranoka mampalefaka ny fifampikasohana amin'ny tonon-taolana. Ny "arthrose" dia fahasimban'ilay taola-malemy "cartilage", vokatry ny asa mafy na noho ny fahanterana na ihany koa faharatrana matetika. Ny faritra andairany matetika : soroka, maoja, lohalika, hatoka, tanana ary ny ankihibe. Ny salan-taona maro voakasiky ny aretina "arthrose" dia eo anelanelan'ny 35 hatramin'ny 50 taona, ny taola-malemy simba vokatr'ity aretina ity dia tsy miverina amin'ny endriny teo aloha intsony.
♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco