Zafikelin'i Nenibe Rangory i Mirenty, izay fianakaviana sahirana ara-pivelomanana ; mpatsaka rano sy mpanasa lamban'olona no asa fiveloman'izy ireo. Anatin'ny tsy fahasalamana i Nenibe Rangory ary nanao ny ezaka hitsaboana azy i Mirenty. Feno 18 taona i Mirenty, tamin'io fotoana io indrindra no nanoloran'i Nenibe Rangory ny vatakely nisy ny hafatry ny renin'i Mirenty, sy nitahirizany ny tantarany. Namoy ny ainy i Nenibe Rangory andro vitsy taorian'ny nanolorany ny vatakely an'i Mirenty.
♦ Taon-jobily dimy sosona no ankalazain'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ao anatin'ny efataona, manomboka amin'ity taona 2023 ity hatramin'ny taona 2026... ♦ Nanasa ny mpino rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly, mba tsy hiady hevitra amin'ny demony... ♦ Nisy vokany ny fiarahan-dia nataon'ireo solontena avy amin'ny kaontinantan'i Azia, nandray anjara tamin'ny Sinaody Eglizy miara-dia, dingana kaontinantaly, hoy i Mgr Mario Grech...
Ny Konsily anisan’ny goavana indrindra dia ny tao Trente (Trento) satria dia ny 22 mai 1542 no nampiantsoin’ny Papa Paul III izy io, ary notohizan’ireo Papa roa nandimby azy dia i Jules III sy i Pio IV (1545-1563), ka taorian’izany no nahazoantsika ny Mesaly Romanina navoakan’i Papa Pio V, izay mbola misy mampiasa mandraka ankehitriny. Ny Bulle Quo primum tempore navoakany ny 14 Jolay 1570 no namoahany azy ho an’ny Eglizy rehetra manaraka ny fomba Latinina. Maro ireo hevitra sy fampianarana mazava navoakan’ny Konsily tao Trente dia ny : Fiarovana ny Soratra Masina (atao hoe Volgata).
Alahady 26 febroary 2023 — Alahady voalohany amin'ny Karemy — Taona A — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 4, 1-11)
♦ Nanetriketrika ny fitsenana an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, tamin'ny alarobia 9 ôktôbra 2024... ♦ Pretra roa sy Diakra iray avy amin'ny fikambanana Frères Mineurs Capucins no nohamasinina tamin'ny alahady 6 ôktôbra 2024, tany Befandriana Nord, Diôsezin'Ambanja... ♦ Ny Fanahy Masina no miantoka ny maha maneran-tany sy maha iray ny Eglizy, hoy ny Papa François, nandritra ny Audience générale, ny alarobia 9 ôktôbra 2024...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco