Misy ary matetika mitranga ny tsy fahatomombanan'ny ahitra mandritra ny vohoka. Aty amin'ny tany an-dalam-pandrosoana dia maro ireo vehivavy no maty eo am-piterahana, ary io no mahatonga ny ministeran'ny fahasalamana mba hiterahan'ny vehivavy any amin'ny tobim-pahasalamana ; nampiofana ihany koa ireo reninjaza. Ny ahiatra dia taova mandalo, izay ny lalan-dra no mameno azy ka io no isan'ny mampifandray ny zanaka sy ny reniny mandritra ny vohoka. Ny asan'ny ahitra dia miantoka ny famatsiana ny rivotra ho an'ny zaza ary mamoaka ireo rivotra tsy ilain'ilay zaza, io taova io no mampiasa tsikelikely ny voa sy ny atin'ny zaza, io ihany koa no miaro ilay zaza amin'ny aretina na fanafihana hafa...
♦ Dingam-piofanana tsy maintsy lalovana amin’ny fiofanana ho pretra ny filôzôfia… ♦ Nanentana ny tanora mba ho mpamafy fanantenana ny Papa François… ♦ Manan-danja amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny hafaliana…
Anatin'ny fampianarana ny fijoroana ho mpaminany nataon'ny mpitondra ny Eglizy araka ny hita vokatry ny Konsily Vatikana-II ao amin'ilay Foto-pampianarana "Ny fiangonana manoloana ny andro ankehitriny" navoaka tamin'ny 7 desambra 1965 sy ny fampianaran'ny Eglizy katôlika momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy navoakan'ny Filan-kevitra Pontifikaly "Rariny sy Hitsiny" tamin'ny 2 Aprily 2004. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
♦ Manentana ny olom-pirenena hanefa ny adidiny amin'ny fifidianana ho Filohan'ny Repoblika amin'ny alakamisy ho avy izao ny Minisitry ny Asa, ny Fampananana Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sôsialy, Rivotiana Jean Bosco... ♦ Miantso ny antoko pôlitika mivondrona ao aminy sy ny vahoaka mpanara-dia azy, tsy handeha hifidy amin'ny alakamisy izao, ny RMDM... ♦ Nidina an-dalambe, nandoro kodiarana indray androany, ny ampahana mpianatra eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Hiverina hianatra ireo mpianatra tsy mbola nianatra noho ny fitokonan'ny SECES ny alatsinainy izao...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco