♦ Ho tanterahana ny 23 hatramin'ny 25 aogositra 2024, ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana. Lohahevitra entina hiainana io Kôngresy io ny hoe: “Ny fihavanana no manasitrana izao tontolo izao. Mpiray tampo avokoa ianareo rehetra”... ♦ Nanentana ny rehetra hametraka amin'ny toerana ambony ny asa fanabeazana, i Mgr Jean de Dieu Raoelison, ary nanome hafatra sy fampianarana mifantoka amin'izay asa fanabeazana izay, tao anatin'ny fankalazana ny fetin'i Masindahy Joany Bosco...
Loza mitatao ho an'ny fambolem-bary eto Madagasikara ny aretim-bary ateraky ny bakteria ka mila ny fiaraha-mientan'ny mpisehatra rehetra ny ady atao aminy. Miparitaka amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy ankehitriny ny aretina malazo ravina na ny BLB sy ny aretina tsipika amin'ny ravina na ny BRS raha toa ka ny volana desambra 2019 no nahitan'ny mpikaroka voalohny azy teto Madagasikara.
Tsara ary ilaina ny mamboly hazo. Tokony atao ny fambolen-kazo izay tokony hanaraka ny fenitra ara-teknika mba hampahomby sy hatratrarana ny tanjona. Anjara biriky ny tsirairay amin'ny fikajiana ny tranobe iombonana ny fambolen-kazo. Ilaina ny fandraisana andraikitry ny tsirairay amin'ny fanjohina ny fambolen-kazo natao, ahafantarana ny vokatra azo. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Ampianaro ny taranaka : tsy mety ny mampianatra ny taranaka hamalifaty ; ezaho hatrany ny mampianatra ny taranaka hahay hizara. Isan'ny tombony ho an'ny zokiolona sy ny ray aman-dreny ny fahafahana mizara ny fahaiza-miaina. Izay manoro lalana mahitsy mampita aina. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco