Tantarana tovolahy iray mpiasa mpanampy. Mpanampin'olona i Sedra, mafy ny asa ataony, sesilany ny iraka. Tsy misy sitraka ny asa vitany, masika sy sarotiny ireo mpampiasa azy. Mpinamana sy mpiara-mianatra i Fitia sy i Voary zanaky ny mpampiasa an'i Sedra. Fitia dia tovovavy tsara tarehy sy tso-piaina, tia fianarana. Tojo tsy fahasalamana i Sedra, harerahana disy tafahoatra, ka i Fitia no nihantra ary nitsabo ka nampitra hopitaly azy. Lasa mpifankatia i Sedra sy Fitia.
♦ Nifarana ny 28 ôktôbra teo ny Visite ad limina, izay notanterahan'ireo Evekan'i Madagasikara tany Rôma... ♦ Hamasinina ho Eveka rahampitso, ny Nonce Apostolique vaovao izay voatendry hiasa eto Madagasikara, ka any Poznań, any Pologne no hanatanterahana izany... ♦ Efa manomboka ny fisoratana anarana, ho an'ireo izay hiatrika ny JMJ any Lisbone, amin'ny taona 2023...
31 ôktôbra — Romanina i Quentin ary niaina tamin'ny taonjato fahatelo. Toa an'i Masindahy Crépin sy Crépinien dia nitory ny Vaovao Mahafaly tany Gaule i Quentin. Nampita ny raki-tsarobidin'ny finoana izay noraisiny izy tamin'izany fotoana izany. Tao Amiens no tena ivon'ny fitoriana nataony.
Adidy ifarimbonan’ny Lahika sy ny Pretra, izay samy eo ambany fiahian’ny Eveka, ny fitondrana ny Vahoakan’Andriamanitra isaky ny Paroasy sy ny Distrika, izay mivondrona ho Diosezy. Koa rariny sy hitsiny raha takina amin’ireo Pretra tompom-paritany sy ny Curé rehetra ny atao hoe fahaiza-mitondra ny Kristianina izay iadidiany na ankinina aminy, sy ny fahaiza-mitantana ny fananan’ny Fiangonana.
♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco