♦ Olana goavana ho an'ny mponina any amin'ny faritra Anôsy ny fiparitahan'ny rara-pasika ka nahatonga ny olona hifindra-monina. Ny CRS no isan'ireo nitondra vahaolana amin'ny fambolana hazo ho fiarovana ny rara-pasika tsy hanototra ny tanàna sy ny fambolena... ♦ Ny fandrefiala mena dia hita any amin'ny faritra Ambositra, Ranomafana Vohibe sy ny manodidina. Mavitrika amin'ny alina ary mpihanika hazo ny fandrefiala mena, ny lohany dia lehibe noho ny hatokany...
Ny fahafantarana ny tenanao no tena antoka voalohany indrindra amin' ny fahatokisana ny tena. (14-04-2021)
Alarobia 14 avrily 2021 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 16-21
♦ Mivory voalohany androany ireo mpikamban'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalampanorenana. Andrasana ny fifidianan'izy ireo izay ho foloha vaovaon'ny HCC... ♦ Nodimandry ny solombavambahoaka an'i Manakara Giscar Andriano, araka ny fampitam-baovaon'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Maniry hatao vaksiny fanefitry ny coronavirus ny 76%-n'ny Malagasy, araka ny vokatry ny fanadihadiana nataon'ny Transparency International...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco