Ny tsy fananan'asa dia isan'ireo antony mahabetsaka ny olona mandray zava-mahadomelina, io no mahatonga ny olona ho very fanantenana ka mitady zavatra hanandaniany andro, eo koa ny fanandrakandramana izay lasa fiankinan-doha. Ny fahatsapan'ny olona fa voailikilika izy dia mandrisika ny olona handray zava-mahadomelina, heveriny ho vahaolana afahany mahazo toerana eo amin'ny fiaraha-monina io fomba io... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
7 febroary 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 14-23)
Ny biby teo amin'ny tontolom-piaraha-monina Malagasy dia nampiasaina ho sakafo, nampiasaina tamin'ny famokarana, fanafody, alafaditra, natao sorona. Manomboka amin'ny fahaterahana hatramin'ny fahafatesan'ny olona iray dia misy hatrany ny fampiasana biby mba ho fampodiana aina, fiarovana amin'ny loza... Isan'ireo biby heverina manana ny hasiny ny akoho, ondry, osy, omby, bibilava, voay, fanano, amalom-bandana... Ny bibin-dRamahavaly dia sampy, nampiasaina ho mpitari-tafika, sy mpitsapa entan'Andriana tamin'ny andron'i Radama-I...
Rafaly dia olona mpanankarenaa sady nanana Orinasa iray izay, nanao tsinotsinona ireo mpiasa madinika rehetra tao amin'ny Orinasany sy ny Fianakaviany ary ny mpiara-monina taminy. Nisy tovolahy iray niasa tao amin'ny orinasany, i Rado no anaran'io tovolahy io, tena olona nazoto niasa tsara izy saingy niaran'ny tsindry hazo lena ko aka voaroaka. Fanampin'izany koa anefa taty aoriana dia nanakarama olona hamono an'i Rado i Setra zanak'i Rafaly satria fantany fa i Rado no miaraka amin'ny Seheno anabaviny.
♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco