♦ Tanterahana eto Madagasikara mandritra ny telo andro ny atrikasam-paritra momba ny fepetra ara-pahasalamana sy ny fomba ikarakarana ny zava-maniry iantohana ny fahasalaman'ny mpanjifa ho an'ireo firenena ao amin'ny Vondron'ny Ranomasimbe Indiana na ny COI... ♦ Hisitraka tombontsoa maro manoloana ny fahavitan'ny tohadrano ny mponina ao Ambohimasina Distrikan'Arivonimamo, Faritra Itasy... ♦ Tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitry ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony, momba ny toerana hiatrehan'ireo kandidà tsy miankina, amin'ny fanadinana Bakalôrea amin'ity taona ity, ny Vovonan'ny Sekoly tsy miankina...
♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...
Alahady fahatelo fankalazana ny Paka : velona marina i Kristry ; voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo, ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao. Resaka finoana ny fitsangana-ko velona ka tsy maintsy mijery amin'ny masom-pinoana sy fihainoana amim-pinoana isika. Toetry ny olona maro ankehitriny ny fisalasalàna sy ny tsy finoana, mbola maro ny tsy miditra am-piangonana na manao ezaka lehibe aza ireo tompon'andraikitry ny Eglizy. Tena velona marina i Kristy ; tsy azo sarahina ao amin'ny tantaram-pamonjena ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, efa voalaza ao ny tantara nisy sy ny ho avy izay iraka ho fitoriana ny Evanjely, hatramin'izao iainantsika izao...
♦ Notanterahana ny 8 hatramin'ny 11 aprily 2024 ny fivoriana ara-potoana fanaon'ny Jutice et Paix isan-taona, ka nentin'izy ireo nanomezana hafatra ho an'ny vahokan'Andriamanitra... ♦ Hotanterahana ny alahady 14 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka sy fametrahana eo amin'ny fiketrahana maha Eveka hitantana ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Razafinirina Jean Désiré... ♦ Anisan'ny herim-panahy mahatonga tena handresy ny ratsy marina tokoa ny faherezana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nentiny tamin'ny Audience Générale, tamin'ny alarobia 10 aprily 2024...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco