♦ Notanterahana nanomboka ny 31 jolay ary nifarana androany 2 aogositra 2024, ny fivorian'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy. Foto-kevitra niainana tamin'izany ny hoe: “Eglizy iraka”... ♦ Samy hanatontosa ny JMJ, ireo Vikaria efatra mandrafitra ny Diôsezin'i Mahajanga, mandritra ity volana aogositra ity... ♦ Notanterahana tany Roma nanomboka ny 29 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2024, ny andiany faha-13 amin'ny fivahinianana masina ataon'ny fikambanana iraisam-pirenen'ny mpiservy...
♦ Efa zara raha mandeha ny fampandehan-draharaha amina Kaominina maro, ka tokony hotanterahana amin'ity taona ity ny fifidianana, hoy ny Kmf/Cnoe... ♦ Ny 43%-n'ireo mpila raharaha no efa niharan'ny kolikoly amin'ny fikarakarana antontan-taratasy momba ny fananan-tany, raha ny fanadihadiana nataon'ny Transparency International. Navoaka androany teny Andrainarivo ny momba izany... ♦ Olona 12 no voasolokin'ny lehilahy iray, milaza fa mampiditra mpiasa ao amin'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy. Vola 16 tapitrisa mahery no azony tamin'ireo olona ireo. Natolotra ny Fampanoavana androany, io lehilahy io...
Fandaharana nitety vanim-potoana maro ny "mba ho vanona", niatomboka tamin'ny fandaharana "fitiavana sy ny tontolony" ary ny "E.V.A". Mpanetana nanao ny ezaka nampanjary ny fandaharana Andriamatoa Flavien Rakotoarison, efa naharitra 28 taona no nanaovany izany asa izany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Naneho hevitra momba ny raharaham-pirenena ny Antoko Maitso Hasin'i Madagasikara. Ho azy ireo, Governemanta pôlitika ahitana taratra ny maro an'isa eny amin'ny Antenimieram-pirenena, no tokony hajoro... ♦ Mila faritana mazava tsara ny lasim-panofanana ho an'ny fanofanana andraisan'ny maro anjara na ny “Formation de masse”, ho an'ny famokarana eny ambanivohitra. Tanterahana eto Antananarivo ny atrik'asa momba izany... ♦ Miantso ny tompon'andraikitra hijery ny vidin-tsolika any amin'ny Faritra Sava, ny mpiaro ny zon'ny mpanjfa. Tafakatra 10.000 Ariary ny iray litatra eny amin'ny varomaizina...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco