♦ Ny talata 10 janoary 2023 no handraisan’ny diosezin'Ambanja an’i Mgr Donatien Francis Randriamalala ao Andrevorevo - Anahidrano... ♦ Mihemotra ny fanakalazana ny fetin’ny Seminera Zandriny Ambohipo sy ny Fivorian’ny FFVA Disoezin’Antananarivo... ♦ Namaly ny antson’ny Papa François mba hanakalazana ny Noely hahatsiarovana ny vahoaka Okreniana ny Aomôneria apôstôlika iandraiketan’ny Kardinaly Konrad Krajewski...
Mila mifanampy ny fianakaviana, ary atao zava-dehibe ilay fomba fiheverana malagasy hoe "tantsoroka sy valy tanana". Mampifanakaiky am-po ary mitondra amin'ny fifampitokisana sy ny fahatokisan-tena ny fifanampiana ary ahafahana mpampivelatra ny fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'i Jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Mifarana ny 31 janoary 2023 ny fisoratana anarana eto Madagasikara ho an'ireo handray anjara amin'ny JMJ Lisbonne 2023... ♦ Nodimandry teo amin'ny fahadimy taona naha pretra azy i P. Francisco Andrianjaka, Pretran'ny Diosezin'Antsiranana... ♦ Nitsodrano ireo sariolona maneho an'i Jesoa Zazakely nentin'ireo ankizy teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Piera, ny Papa François omaly...
Ilaina ny fahaizana mifanampy ao anivon'ny ankohonana ao. Ny fifanampiana dia manamafy sy manatsara ny rivo-piaraha-monina. Ny fahaiza-mihaino sy ny fahaizana mifanampy dia mifameno. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'i Jeneraly Désiré Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco