♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diosezin'Ambanja i P. Donatien Francis Randriamalala, pretra ao amin'ny Fikambanana "Missionnaires de Notre-Dame de La Salette"... ♦ Niarahaba sy nirary soa ho an'i Mgr Donatien Francis, noho ny fanendrena azy ho Evekan'Ambanja, ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Manaitra ny mpandray anjara ao amin'ny COP27, manoloana ny fitomboan'ny mpifindra monina vokatry ny fikorontanan'ny toetrandro ny Kardinaly Pietro Parolin, Solontenan'ny Fiketrahana Masina...
Nahomby amin'ny ankapobeny ny Fandaharan'asa PLAE-IV eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Namatsy vola ny Fiaraha-miasa Alemana KFW sy ny Governemanta Malagasy. Fandaharan'asa nandritra ny 5 taona, niasa tamin'ny Faritra miisa 4 teto Madagasikara : Sofia, Amoron'i Mania, Matsiatra-Ambony ary Ihorombe...
Notendren'ny Papa François androany, ho Evekan'ny Diôsezin'Ambanja, i Mompera Donatien Francis Randriamalala, pretra avy amin'ny fikambanana Missionnaires de Notre-Dame de La Salette.
Zava-dehibe eo amin'ny singa maha-olona ny safidy ka tsy azo tsinotsiniavina. Noho izany dia mila saina mahay mandinika sy malina tsara eo am-pandraisana safidy satria ny fiantraikany tsara na ratsy vokatry ny safidy natao dia mety hoenti-maty na ho an'izay nanao azy na ho an'ny hafa ihany koa... Fandaharana "miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco