♦ Sambany indray no nihaona mivantana teny Tsimbazaza, ny Praiminisitra sy ireo Solombavam-bahoaka, tao aorina'ilay fitsipaham-pitokisana tamin'ny taona 2022. Niresaka momba izany androany, Andriamatoa Naivo Raholdina, tamin'ny lahateniny... ♦ Miandry ny tolo-kevitra avy amin'ny CENI, ny Governemanta, momba ny datim-pifidianana, hoy ny Praminisitra... ♦ Tsy mety ho marin-toerana mihitsy ny vidin'entana ilaina andavanandro eny an-tsena, ka mahatonga fanararaotana. Nivory ny avy amin'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa androany, nitady vahaolana momba izany...
♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Eveka, an'i Mgr Luc Oliver Razfitsimialona, hitantana indray manomboka izao ny Diôsezin'i Tolagnaro... ♦ Nentin'ny Papa nandritra ny fampianarany tao aorian'ny vavaka Angelus, ny fanentanana ny rehetra mba hianatra hiaina an-kalalahana, afaka amin'ireo gadra vy izay mamatotra ny tsirairay...
♦ Efa any amin'ny Diôsezin'i Tolagnaro ankehitriny, ny Nonce Apostolique sy ireo Eveka avy amin'ny Diôsezy samihafa avy eto Madagasikara... ♦ Manolotra ny teny fankasitrahana ho antsika mianakavy nanotrona sy nanohana azy ireo, nandritra ny fankalazana ny fetin'ny Fianakaviana Masina, ny fianakaviamben'ny Seminera Zandriny Ambohipo... ♦ Nofaranana tamin'ny 20 sy 21 janoary 2024 ny fankalazana ny faha-40 taonan'ny EKAR Trinite Masina Anosimasina, ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga...
♦ Nampahafantarina androany ny fiomanan'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara amin'ny fankalazana ny Taon-jobily 2025, araka ny toromariky ny Papa François... ♦ Manohy ny asany vonjy maika, mandrapaha voafidy izay handimby azy, ireo Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina monisipaly, izay tapitra fe-potoam-piasana ankehitriny. Namoaka izany fanapahana izany ny HCC, androany... ♦ Namoizana ain'olona ny firotsahanan'ny orana tsy an-kiato any amin'ny Faritra Diana. Tombanana mbola hitohy hatramin'ny rahampitso ny rotsak'orana any amin'ny tapany avaratry ny nosy, hoy ny Météo...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco