30 marsa 2025 — Alahady Fahefatra amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 15, 1-3. 11-32)
• Tanterahan'ny Eglizy maneran-tany anio hariva sy rahampitso ny 24 ora ho an'ny Tompo... • Miandry antsika isan'andro Andriamanitra be famindram-po, hoy ny fampianaran'ny Ray masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Mila atao laharam-pahamehana ny fanabeazana hanafoanana ny fanandevozana, hoy ny eo anivon'ny Fiketrahana Masina...
Manatevina ny fifehezan’ireo tantsaha mpiompy tantely ny teknika momba izany ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly. Nisitraka fiofanana nokarakarainy ireo tantsaha anatin’ny vovonam-pikambanana miisa telo ato amin’ny Faritra Analamanga. Fampiofanana tafiditra anatin’ny tetik’asa FFF FAO, izay miady amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Mahatsapa ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra fa mandray anjara betsaka amin’izay asa izay ny tantely. Amporosihana noho izany ireo tantsaha ireo hiompy tantely sy hivelatra amin’izay fihariana izay hoy Andriamatoa Elysé RAHARISON, tompon’andraikitra ara-teknika ao amin’ny Tranoben’ny Tantsaha...
Zavatra iray tsy azo tsinotsinoavina eo amin'ny fianan'olombelona ny fifandraisany, na aman'olona, na amin'ny zava-boahary manodidina azy, na amin'Andriamanitra. Ho an'ny tanora dia manampy azy hivelatra ny fananana namana, mila fitandremana nefa ny fisafidianana ireo namana. Ny tena mpinamana dia mifampitarika amin'ny soa. Ny fitondran'ny namana na ny olona akaiky anao ny VIH/SIDA dia tsy antony tokony hanilikilihina azy velively. Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco