Alarobia 02 desambra 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Matio 15, 29-37 — Tongava, ry Tompo, ary aza ela ; vahao ny fatoran’ny vahoakanao.
♦ Nampitomboina hatrany amin'ny 400% ny teti-bolan'ny "Caisse école". Tafiakatra 50.000.000.000 mahery izany amin'ny taona 2021...♦ Olona roa no maty nilatsaham-baratra, iray naratra tany amin'ny distrikan'Antsiarabe-II... ♦ Lasan'ny kandidà Joe Biden ny fandresena tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tao Arizôna sy Winscounsin, izay nitakian'Andriamatoa Donald Trump fanisam-bato...
Ny tsingerina dia misy fohy sy lava, fa ny antonony dia 26 hatramin'ny 32 andro, tsy midika hoe marary akory ny olona misy ireo tranga samihafa ireo fa efa izay no toe-batany. Fanisana ny tsingerina : miainga amin'ny andro voalohany hisian'ny rà amin'ny lalan-jaza, arahan'ny fadimbolana 3 hatramin'ny 5 andro. Tokony ho fantatry ny ray aman-dreny ary hampahafantarina ny zaza ny resaka tsingerina...
Alahady 29 nôvambra 2020 — Alahady voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 13, 33-37 — Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao ! ary omeo anay ny famonjena avy aminao.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco