Ny sampana ORL no miandraikitra ny fahasalaman'ny faritry ny loha. Tamin'ny taona 1860 no naharesilahatra ny mpikaroka fa tokony tsy hisaraka intsony ny fitsaboana ny ati-sofina sy ny tenda ary lalana hifandraisany ny orona sy ny maso. Maro ireo aretina mety hahazo ny faritry ny loha ary saropady ka hentanina ny tsirairay mba hanantona mpitsabo matihanina raha misy tranga mampiahiahy...
♦ Nanainga tao Taolagnaro nihazo an'Ambovombe androany ny andiany voalohany tamin'ireo mpitsoa-ponenana tonga tao Fort-Dauphin. Mbola manjavozavo anefa ny miandry azy ireo any Ambovombe... ♦ Takona noho ny fifandiran'ny mpitondra sy ny mpanohitra ny tena olana mianjady amin'ny vahoaka, hoy ny antoko UNDD, androany...
Nisy ny antso avo nataon'ny Federasiônan'ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara na ny FVTM nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy ny 08 marsa lasa teo...
Amin'ny zava-tsarotra lalovan'ny fiainan'ny mpivady dia ny fifankaherezana sy fifanohanana no lalana tsara indrindra hiatrehana an'ireny sedra samihafa ireny...
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco