Fanamby lehibe ho an'i Madagasikara ny fahavitan-tena ara-bary. Manao ny ezaka rehetra ahatratrarana ny tanjona ny governemanta ankehitriny ary mba ahafahan'ny tantsaha misitraka ihany koa ny fahafahana rehetra ahafahany mamokatra araka ny nambaran'ny ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono Ranarivelo Lucien...
Ny herisetra miankina amin'ny fahasalamana dia ireo karazana fampijaliana rehetra avy amin'ny fiteny, ny fihetsika ary ny fitondran-tena mahatonga fahavoazana sy fangirifiriana ara-batana, ara-pananahana, ara-tsaina, ara-panahy, misy ifandraisany amin'ny fahasalamana. Tsy maintsy mifampitsinjo ny isan-tsokajiny raha tsy izany dia mifampanao herisetra sy mifamono mivantana na ankolaka eto isika rehetra...
Ny sokatra radiata dia harena voajanahary tsy hita afatsy any amin'ny faritra Androy sy Atsimo-Andrefana. Ny Turtle Survival Alliance "TSA" dia isan'ireo mpiaro ny sokatra ka 25.000 isa sokatra no sahaniny izay sokatra azo tamin'ny olona nandika lalàna na ireo nokasaina hoanina na haondrana antsokosoko. Miroso amin'ny famerenana ireo biby ireo amin'ny tontolo misy azy ara-boajanahary ny TSA...
Ny endrika ivelany isehoan' ny "Terintsaina" na "Stress" eo amin' ny olona tratrany.(17-03-2021)
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco