Alahady 18 jolay 2021 — Alahady fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 30-34
Ny fitondrana vohoka dia tsy aretina fa kosa misy ny fiovana eo amin'ny toe-batana sy ny tsirim-panentana ao amin'ny vehivavy, izay miteraka faharefona eo aminy sy ny zaza ao am-bohoka. Tsy voatery ho sarotra ny aretina mpahazo ny vehivavy amin'ny fotoana hitondrany vohoka, saingy raha tsy voatsabo dia mety hamono hafaty. Ireo aretina mety hitranga : fahaverezan-drà betsaka, afa-jaza, zaza an-tsosokoditra, zaza voaloboka...
♦ Nanentana ny Salezianin'i Don Bosco hanana faharetana ombam-panetren-tena amin'ny fanompoana ny tanora i Mgr Rosario Vella, tamin'ny fanokafana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Salezianin'i Don Bosco teto Madagasikara, ny alarobia lasa teo... ♦ Voatendry ho Visiteur provincial an'ny fikambanana Congrégation de la Mission (Lazarista) eto Madagasikara i Mompera Farasely Gaston...
Ketsa saraka, nahatratra 15 taonina mahery ny vokabarin'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert tamin'ny fampiasàna azy. Manamboninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro. Liana amin'ny voly vary.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco