Naheno ny antson'Andriamanitra i Masina Maria ary namaly izy. Tsy nahafantatra ny maha "tsy azo-keloka" azy Masina Mari, raha tsy tamin'ny filazàn'ny Anjely. Ny nanombohan'ny Anjely ny resaka nifanaovany tamin'i Masina Maria dia ny "Fiarahabana" mendrika ny olo-manankaja. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Isika tsirairay avy no biriky mandrafitra ny rindrin'ny tranom-pahavanonana. Aoka harisika isika hanao jeritodika ny tontolo androm-piainana ary entina ao amin'ny vavaka izay atao amin'Andriamanitra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Tanjona ara-pahasalamana : ahena ny fandraisana na fisotroana zava-mahamamo, hampitomboina na ahena ny vatana... ♦ Fametrahana ny soatoavina mahavavy... ♦ Fandaminana ny fihentanam-po izay samihafa amin'ny fihetsem-po...
Alarobia 15 septambra 2021 — Masina Maria Virjiny, nijaly sy vonton'alahelo — Sambatra ianao, ry Maria Virjiny, ilay nandray ny fandresen'ny Martiry teo ambany Hazofijalian'ny Tompo tsy nisy fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 19, 25-27
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco