♦ Namoaka fanambarana ny Arsevekan'Antananarivo, manoloana ny raharaha mafampana eto amin'ny firenena ankehitriny. Ho entintsika manontolo amin'izao vaovao izao izany... ♦ Olona enina no efa voasambotra amin'ny raharaha voalaza fa fikasana hamono olom-panjakana ambony, raha ny tatitry ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka androany. Mety mbola hisy olon-kafa hosamborina, hoy hatrany izy...
Manoloana ny ezaka nataon'ny GERP na ny "Groupe d'Etude et de Recherche sur les Primates" eto Madagascar dia voaaro ny ala an'i Maromizaha. Paik'ady niarahana niasa tamin'ny Vondron'olona Ifotony. Nirana-niasa tamin'ny fokonolona ny GERP ka isan'ireny : Tangalamena, raiamandreny, vehivavy, tanora. Nanangana sehatra hifanankalozan-kevitra ny GERP ka io no mandinika ny zavatra rehetra hatao manoloana ny fandikan-dalana sy hanatsaràna ny tetikasa. Mba ho famporisihana ny olona sy hanamisana ny fifampifehezana dia nampiofanina hanao fiompiana akoho, fiompiana tantely, fiompiana trondro ny rehetra...
Alarobia 21 jolay 2021 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 1-9
Maro ny Tenin'Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina no mitantara ny resaka fahasahiana na ireo olona sahy nanapa-kevitra sy niroso hanatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Ohatra vitsivitsy ireto : Eks 10,26 Mt 6,30 Rom12, 1;2. Katesizy momba ny fahasahiana, iarahana amin'i P Jean-Luc Ratovonjanahary.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco