Ny tontolo iainana dia ireo rehetra manodidina sy iankinan'ny fiainantsika olombelona toy ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny rano, ny rivotra, ny masoandro, ny zava-maniry, ny ranomasina. Fahasalamana mira aina, raha misy fahasimbana ireo voatanisa eo aloha ireo dia misy fiatraikany amin'ny fahasalamana. Ohatra ny fahalotoan'ny rivotra dia miteraka olana amin'ny taovam-pisefona, miteraka tsy fahasalamana lasa mikohoka, voan'ny sery, sepotra. Ny rano misy loto dia miteraka aretina maro...
♦ Tontosa ny 12 hatramin'ny 14 novambra 2021 ny Antenimieran'ny Vovonam-Pirenena Katolikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nomarihana tao amin'ny Diôsezin'i Mananjary, ny 11 sy ny 14 novambra 2021 ny tsingerin-taona nahatongavan'ny Masera Saint Joseph de Cluny sy ny Masera Bénédictines de Sainte Batilde, teto Madagasikara... ♦ Nikarakara fikaonan-doha iraisam-pirenena androany, ny Vaomieran'ny Covid-19 ao Vatican, izay sahanin'ny Dikastera momba ny fampivoarana manontolo ny maha olona...
Voadona indray ny seha-piharian'ny tantsaha mpiompy omby indrindra ny omby vavy be ronono ao anatin'ny faritra Vakinankaratra nanomboka ny faraparan'ny volana oktobra lasa teo nitohy tamin'ity volana novambra ity. Nihanaka mantsy ny valan'aretina mahazo ny omby, ka tsy afa-bela na ny omby miasa eny antsaha na ny omby vavy be ronono.
Loza mananontanona efatra lehibe ihany no tsongaina androany ; raha tsy mifankahery sy mifanohana isika rehetra dia mitondra mankany amin'ny aretina sy mety ho fahafatesana daholo : ny fahalotoan'ny rivotra iainana, ny valanaretina covid-19, ny tsy fahampian-drano saika manerana ny faritra maro eto Madagasikara, ary ny fahaefatra dia ny fahantrana lalina.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco