♦ Tsy avela hitoka-monina intsony ny Distrikan'i Marolambo, fa tsy maintsy hampandrosina amin'izay, hoy ny Filohan'ny Repoblika androany... ♦ Samy nandrava ny Faritra Ihorombe avokoa na ny rivodoza Batsirai na i Emnati ka nampitondra takaitra ireo Distrika telo mandrafitra azy... ♦ Nifarana androany ny fivoriana iraisam-pirenena nifanakalozan-kevitra ny hanaovana asa mivaingana, hikendrena ny hamerenana amin'ny laoniny ny lafiny maha olona maneran-tany, ao aorian'ny valan'aretina Covid-19...
Manimba ny fahasalamana ary mety hafaty mihitsy ny fanaovana dokotera-tena. Ny tanjona dia ny fahasalaman'ny vatana sy ny fanahy. Ny fahalalana fototra dia singa hitazaina ny fahasalamana. Ny voa dia taova saropady ary tsy tokony hanaovana dokotera-tena, izay manadio ny ra. Mila misotro rano ara-pahasalamana isika mba hanampy ny voa amin'ny asany. Ny fanaovana dokotera-tena dia mety hiteraka tsy fahalavorariana ara-pahasalamana maro. Fandaharana "Amperala Miary" vokarina eto amin'ny RDB.
Alarobia 23 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 37-39
♦ Hiditra an-tanety anio alina, eo amin'ny fisasahan'ny Distrikan'i Manjary sy i Manakara i Emnati, amin'ny tanjaka rivodoza mahery... ♦ Manentana ny rehetra haneho ny fiombonana sy ny firaisan-tsaina mba tsy hisian'ny fanararaotana sy ny halatra amin'izao fandalovan'ny rivodoza Emanti izao, i Mgr Fulgence Rabemahafaly, Arsevekan'i Fianarantsoa, Filoha Lefitry ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco