♦ Mbola tsy ampy ahafahana mamaritra ny fahatratran'i Madagasikara ny PIC ny fivoaran'ny Coronavirus ankehitriny. Ahiana mbola hanova zavatra mantsy ny fidirana amin'ny aty ririnina... ♦ Voahaja ny fanakatonana fiangonana amin'izao fotoana izao, saingy ny mifanohitra amin'izany no zava-misy eny amin'ny tsena sy ny fitateram-bahoaka, hoy ny Vikera Jeneraly eo anivon'ny diôsezin'i Fianarantsoa...
Alahady 9 mey 2021 — Alahady fahenina fankalazana ny Paka — Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina no aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 9-17
Ny Takilodrano dia aretina azo avy amin'ny katsentsitra, kankana antsoina hoe "Kankan-dio" (Schistosoma). Misy karazany telo ny kankan-dio eto Madagasikara dia ny Schistosma mansoni, izay mahatonga ny Takilodrano mpahavoa ny tsinay ; ny Schistosoma haematobium izay mahatonga ny Takilodrano mpahavoa ny tatavia na ny taovam-pananahana ; ary ny Schistoma intercalatum izay mahatonga ny Takilodrano mpahavoa ny tsinaim-body na ny taovam-pananahana. Eny amin'ny ranomamy miandrona na mikoriana miadana no ahitana io katsentsitra io. Monina ao amin'ny sifotra izy avy eo mifindra amin'ny olona.
♦ Nihemotra ho rahampitso ny fahatongavan'ireo daozim-bakisiny andiany voalohany, hiadiana amin'ny Coronavirus eto amintsika. Vakisiny 250.000 no tokony ho tonga amin'izao andiany voalohany izao... ♦ Efa nihoatra ny 700 nanomboka androany ireo matin'ny valanaretina Covid-19 eto Madagasikara. Niampy 304 ihany koa ireo tranga vaovao hita tamin'ireo fitiliana, raha ny antontan'isa nivoaka androany...
• Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny seminera no fandaharam-potoana isaky ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Zanaky ny Fiangonana miisa 220 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana omaly, namaranana ny fitsidihana pastoraly tao amin'ny Distrikan'Ambohimena, Diosezin'Antsirabe... • Nosokafana tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely, ny faha-10 taonan'ny Ansiklika Laudato Si...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco