Tsy mitovy ny antso sy ny hoe asa. Omen'Andriamanitra antoka aloha ny olona iray mba tsy hatahotra manoloana ny antso. Nomena iraka i Maria virijiny mba hiteraka zazalahy. Ny "antso" dia Andriamanitra no mifidy sy miantso ary maniraka antsika fa ny "asa" dia isika no misafidy izay hatao. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Olona roa tapitrisa eo no hiniana vonoina amin'ny fivelomany, manoloana ny fahapotehan'ny seha-pihariana lavanila eto Madagasikara, hoy ireo avy any Sava. Miantso ny fanjakana tsy hametra ho 66 fotsiny ireo mpandraharaha afaka manondrana lavanila izy ireo... ♦ Mikasa ny hanome ny fitantanana ny hetra sy ny fadintseranana ho an'ny orinasa tsy miankina ny fanjakana foibe. Mitsipaka izany marindrano ireo sendikà eo anivon'ny Minisiteran'ny vola, raha nanao fanambarana androany...
♦ Hisoroka mialoha izay mety ho disadisa amin'ny fiatrehana ny fifidianana amin'ny taona 2023 ny CFM... ♦ Mitaky ny fanesorana ireo mpiara-miasa tamin'ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy Fampiofanana arak'asa teo aloha ny SEMPAMA... ♦ Mampihazakazaka ny fahantrana ny fanaovana ampihi-mamba ara-toekarena. Fanehoan-kevitry ny Solombavam-bahoaka Rolland Ratsiraka, momba ny listr'ireo mpandraharaha afaka manondrana lavanila eto amintsika...
Maria virijina dia niheritreritra mangina, niainga tamin'ny fomba fijery azo refesina : ara-tsaina, ara-panahy, ara-batana. Mety hisy fisalasalana isika fa Andriamanitra dia manome toky sy antoka, ohatra ny niainan'i Maria " Aza matahotra ry Maria". Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco