♦ Nitsangana androany ny Kômity Miaro ny Safidim-bahoaka. Fitoriana telo sosona no hapetraky ny Vovonana Firaisankina, noho ny ambaran'izy ireo fa hosoka sy fanodikondinana ny safidim-bahoka, tamin'ny fifidianana teo... ♦ Manoso-kevitra ny hamoahan'ny CENI ny voka-pifidianana isaky ny birao fandantsaham-bato ny KMF/Cnoe. Namoaka fanambarana androany ity kômity ity, manoloana ny toe-java-misy eto amin'ny firenena...
Anjaran'ny olom-pirenena no manomana ny ho aviny, azy ny safidy ary izy no tompon'andraikitra amin'izay mety ho voakatry ny safidiny. Herisetra ny fanerena ny olona amin'ny safidiny amin'ny alalan'ny fanomezana isan-karazany, indrindra raha vao miteraka fahavoazana ho an'ireo hiarany. Ny mamaritra ny ho avin'ny tsirairay dia mifototra amin'ny safidy hatrany, amin'ny sehatra rehetra. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nanao fampitahana ny voka-pifidianana teny amin'ny CENI Alarobia androany, ny kandidà Firaisankina ao amin'ny Boriborintany Voalohany ao Antananarivo Renivohitra. Tsy azo ekena ny isan'ny mpifidy notovanana, hoy izy... ♦ Misy mampiahiahy ny fandaharam-pianarana vaovao araka ny fanavaozana atao amin'izao fotoana izao, hoy i P. Jules Ranivoson, Sekretera Jeneralin'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fanabeazana sy ny Fampianarana Katôlika, ka ilana fiaraha-miasa izany...
♦ Tafiditra tao anatin'ny Taonan'ny Vavaka fiomanana amin'ny fankalazana ny Taon-jobily 2025, ny fankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina omaly, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina... ♦ Manasa ny kristianina hanolo-tena ho an'ny hafa ny Eokaristia, hoy ny Papa François omaly, tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus... ♦ Nihaona tamin'ny Papa François, tamin'ny sabotsy 1 jona 2024, ny Filohan'ny Repoblikan'i Slovaquie, Ramatoa Zuzana Čaputová...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco