Ny vavaka amin'ny Batemy dia vavaka miendrika fivalozana, fibebahana ary famelana ny ota. Ny Sakramenta ny Batemy dia iray amin'ireo Sakramenta 7 naorin'i Jesoa. Ny rano sy ny teny no maha Batemy ny sakramenta ny Betemy ka ny rano dia manome aina sady manadio, ny rano anefa dia famantaram-pahafatesana ihany koa. Ny Batemy dia fidirana ho anisan'ny fianakaviamben'Andriamanitra... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
♦ Voatendry teny Iavoloha ny hariva teo, ireo mpikambana mandrafitra ny Governemanta vaovaon'ny Praiminisitra Ntsay Christian. Mpikambana 29 no mandrafitra ity Governemanta ity... ♦ Minisitra voasivana tamin'ny maro ireo notendrena ireo, hoy ny Filoham-pirenena androany tamin'ny lahateniny. Nambaran'ny Filoha fa tsy anarana fotsiny ny maha minisitra fa eo no manomboka ny asa... ♦ Nifarana androany ilay fihaonambe faha-11 ho an'ny Fifanarahan'i Nairobi, izay notontosaina teto Madagasikara. Adisisika sy fifanarahana maro no tinapaka nandritra izany...
21 aogositra 2024 — Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra — Fahatsiarovana — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo mifankatiava toy ny nitiavako anareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)
♦ Sarona tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato androany maraina indray ny sokatra 200 mahery, saika hahondrana an-tsokosoko. Teratany Malagasy roa no voalaza fa tompon'antoka... ♦ Miankina amin'izay Governemanta hijoro no hanohizana ny fitakiana, hoy ny SECES, tamin'ny fanambarana navoakany. Mbola tsy mari-toerana ny Governemanta misy ankehitriny, hoy izy ireo... ♦ Nahatratra 61% mahery ny tahan'ny fahafahana fanadinana bakalôrea, ho an'ny Faritanin'i Mahajanga. Mpianatra avy amin'ny sekoly tsy miankina no nahazo ny salan'isa ambony indrindra...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco