Manoloana ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina dia tokony hamantatra tsara ny safidiny ny olom-pirenena rehetra, izay manan-jo hifidy. Ny fitiavan-tanindrazana dia safidy, porofon'izany ny safidin'ireo vahiny manana finiavana hampandroso ity firenena ity. Teny filamatra tsara tadidiana ny hoe : Fandrosoana - Filaminana - Fifanajàna. Tsy tokony hiandry fananan'andraikitra vao haneho fitiavan-tanindrazana, tsy tokony hifidianana sehatra ihany koa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nitombo 7% ny isan'ny kandidà mirotsaka ho fidiana ho Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina amin'ny 11 desambra 2024, raha mitaha amin'ny antontan'isa tamin'ny fifidianana eny anivon'ny kaominina, ny taona 2019... ♦ Tafiditra anatin'ny fampivoarana ny famokarana eny ambanivohitra ny tetikasa Ankohonana Miarina. Efa vonona ny anam-pamokarana sy ny fitaovam-pamokarana ho an'ireo misitraka ny tetikasa, hoy ny ao amin'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana... ♦ Velon-taraina ireo mpampiasa lalana ao Manakara noho ny fahatapahan'ny tetezana mpampitohy ny Fokontany Takidy sy Ampilao...
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Alahady faha-27 mandavantaona - B : fianakaviana iray ny olombelona ; Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao, Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay. ...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco