• Nahita marimaritra iraisana ny mpivarotra ao Analakely sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Hiverina hivarotra ireo mpivarotra rahampitso, tao aorian'ny fifampiresahana tamin'ny Ben'ny Tananan'Antananarivo. Nidina an-dalambe nitady vahaolana maharitra moa izy ireo androany... • Voaheloka higadra telo taona sazy mihantona ny Kolonely Fanampera. Hainga ny fizotran'ity raharaha ity. Natao avy hatrany androany ny fitsarana azy tao aorian'ny fiakarany fampanoavana... • Tanterahana eny Ivandry nanomboka androany hatramin'ny alakamisy izao ny atrikasa iraisam-pirenena momba ny fitantanana ny fako sy ny fiharian-karena mitsingerina, aty amin'ny faritra Afrika Atsinanana. Miisa 14 ireo firenena mandray anjara amin'izany...
31 marsa — Niaina tamin'ny taonjato fahadimy tao amin'ny tanana antsoina hoe Ctésiphon tao Irak i Masindahy Benjamin. Ny tempoly ho an'ny masoandro no tena niankohofan'ny ankamaroan'ny Perses tamin'izany.
Ny Eglizy dia nahazo fahefana avy amin'i Jesoa Kristy hanao didy. 1- Mankamasina ny andro fety natokan'ny Eglizy hoamasinina. 2- Mamonje Lamesa na ny fanompom-pivavahana amin'ny andro alahady sy amin'ny andro fety natokan'ny Eglizy hohamasinina, raha tsy misy antony lehibe. 3- Manambarà amin'ny Pretra ny fahotana lehibe rehetra, na dia indray maka isan-taona ihany aza. 4- Manaova Komonio tsara amin'ny vanin'andro fankalazana ny Paka.
5- Mifadia hanim-be, ary mifadia hena amin'ny Alarobian'ny Lavenona, sy ny Zoma Masina. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
30 marsa 2025 — Alahady Fahefatra amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 15, 1-3. 11-32)
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco