Rafi-pitsarana natao hitsarana ireo olona ambony nanao ny tsy mety teto amin’ny firenena ny Fitsarana Avo na ny Haute Cours de Justice (HCJ). Hatreto aloha dia mbola tena nampirimina any am-bata izy io. Notakiana sy notadiavin'ireo hery ivelan'ny fitondrana nifandimby fatratra anefa izany mba hitsikerana izay mpitondra am-perinasa, tany am-piandohana.
Ny fitiavana dia manentana sy fototra iorenan'ny repoblikan'i Madagasikara ankehitriny, porofon'izany ny fahitana io teny io amin'ny taratasy ampiasaina amin'ny sampandraharaham-panjakàna rehetra " Fitiavana - Tanindrazana - Fandrosoana " Raha tena hiainana sy hampanjakàna ny "fitiavana" dia azo antoka fa handroso tokoa i Madagasikara ; ny fitiavan-tanindrazana mitondra amin'ny fandrosoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady faha-18 mandavantaona — D — Alahady 03 aogositra 2025 : Ny vola natao hanompo fa tsy hotompoina ; Miambena ary mivonòna ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona. Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy ny vola hianareo. Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, ka ny sasany nentin'izany, dia efa nivily lavitry ny finoana, sy nandefona ny tenany tamin'ny fijaliana maro...
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco