Ny toe-tsaina ho entina miatrika fiainana. safidy ny an'ny tsirairay na hanaiky iharany na handray an-tànana ny fiainana sy hanova zavatra ary resy lahatra hitondra anjara hanatsaràna ny fiainana. Aza miandry ny hafa fa manana hery anaty ianao...
Alahady 7 febroary 2021 — Alahady fahadimy mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo ; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 29-39
Havaozina hifanaraka amin'ny toe-java-misy amin'izao fotoana izao ny paik'adim-pirenena ho an'ny fampiroboroboana ny voka-bary eto Madagasikara na ny SNDR. Fanamby ny kendrena ny ahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafon, ny hamerenana sy ahatonga an'i Madagasika ho sompitra aty amin'ny faritry ny ranomasina indiana sy ny manodidina...
160 taona izay no nankatoavan'ny Printsy Rakoto (Radama II) fa afaka mitory ny Vaovao Mahafaly ankahalalahana ireo misionera katolika teto Antananarivo. Taorian'ny nahafatesan'ny Mpanjakavavy Ranavalona I, ny 16 aogositra 1861, izay nanenjika fatratra ny kristianina dia tonga teto Imerina i P. Hubert ny 23 septambra 1861.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco